Actualités

Alasora Nirehitra ny ala


  • Zoma 20 Novambra 2020

“Alan'Alasora mirehitra. Tena ato anaty afo tanteraka! Fa dia nahoana loatra re...

 

 

 

Hatraiza no hamotehantsika ity Nosintsika ity?”. Io no fehezan-teny tamin’alahelo nataon’ny Minisitry ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy (MEDD) Rtoa Baomiavotse Vahinala Raharinirina tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly. Nasehony an-tsary ny firehetana goavana niseho teny Alasora ny takarivan’io alakamisy io. Tsy fantatra mazava ny anton’ny firenena, fa dia may aloha izany ny ala, potika ny tontolo iainana. Ahiana ny mety ho fisiana hetraketraka sy finiavana hamotika tsotr’izao. Tsy arakaraka ny fanentanana sy fandrangarangana sazy, fa dia maro ny fandoroana iniana atao na tsy nahy miseho amin’izao fotoana izao. Hita taratra io ho an’ireo mpandeha makany amin’ny faritany amin’ireny firehetana ala manamorana ny làlam-pirenena ireto. Raha ny fampahafantarana efa nataon’ny MEDD anefa dia mahatratra 22 % ny taha-pahafatesana vokatry ny fahalotoan’ny rivotra eto Madagasikara.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT