Saika nanerana ny renivohitra sy ny manodidina indray izao no nahitana sy nahenoana fahatapahan-jiro sy rano, ary efa mampiteny ny moana ny zava-misy.
Omaly, ohatra, dia tapaka nandritra ny adiny efatra ny rano teny Alatsinainy Alasora ny tapany maraina. Nony tolaka ny andro dia niara-tapaka ora maromaro koa ny jiro sy ny rano. Raha tsiahivina anefa ny tenin’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier, roa herinandro lasa izay, dia misy ny tetibola manokana mitentina 30 miliara Ariary hisorohana ny olana mandritra ny fety, saingy ny teo ihany no teo. Inona no tena marina fa fanina ny Vahoaka ? Tsy vitan’ny tsy mivaha mantsy ny delestazy fa tsy mba hita mihena amin’ny faktioran’ny Jirama ny fahatapahana efa ho lava, ka maro ny mihevitra fa tafahoatra loatra ny fanambakana ny Vahoaka.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.