Trano maromaro no narodan’ny orinasa iray tamin’ny alalan’ny bulldozer teny Alasora By Pass
omaly Alatsinainy 23 Septambra maraina tokony ho tamin’ny 06 ora. Raha araka ny fantatra dia milaza ho nahazo ireo am-pahantany na parcelles miisa 93 eny an-toerana ity orinasa ity ka anisan’izany ny misy ireo trano marodana ireo. Eo an-daniny anefa dia mitaraina ireo vahoaka fa hosoka ny taratasy any amin'ity orinasa ity. Tsy nivarotra ny taninay taminy izahay hoy izy ireo. Misy kosa ireo mponina sasany mangataka onitra amin'ilay orinasa milaza ho tompon’ny tany. Raha tsiahivina kely moa dia efa nandalo teny amin'ny fitsarana ity raharaha ity. Nandresy teny amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany ireo mponina tamin’izany saingy resy kosa indray rehefa tonga teny amin'ny fitsarana ambaratonga ambony hoy ny vaovao. Manao antso amin'ny tompon'andraikitra izy ireo noho izany mba hijery akaiky ity fifanolanana ara-tany misy eny Alasora By pass ity. Nanotrona sy niaro ireo vahoaka teny an-toerana Atoa Paolo Raholinarivo. Araka ny vaovao azo dia tsy nisy ny fahampafantarana na taratasy ara-panjakana izay nilaza fa hoarodana ny tranon’ireto vahoaka ireto.Olona am-polony no traboina vokatr’izany nanomboka omaly.
Pati
Legende : Nafotaka tahaka izao ny fandrodanana tranon’olona teny an-toerana !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.