Misy mitrandraka tsy miato ny alan’i Mikea ao amin’ny kaominina ambanivohitra Manombo Atsimo, distrikan’i Toliara II mba hanaovana harina fandrehitra na saribao.
Isaky ny 20 metatra raha araka ny loharanom-baovao azo dia misy lafaoro na toerana fanamboarana saribao amin’ny alalan’ireo ala arovana ao an-toerana. Handray fepetra hentitra araka izany ny ireo tompon’andraikitra misahana ny fiarovana ny tontolo iainana any an-toerana sy ny kaominina Manombo ary ny mpitandro ny filaminana. Ankoatra ny fikarohana ireo mpitandraka tsy ara-dalana manao ny hataony isan’andro dia mbola tadiavina ihany koa ny tompon’ireo saribao 147 gony avy namboarina tratra tao amin’ity ala arovana ity niaraka tamin’ny vatan-kazo maromaro. Raha araka ny fantatra moa dia misy mandoro ihany koa ny tanety ao amin’ny alan’i Mikea ka ahiana handripaka ireo karazan-kazo maro isan-tsokajiny ao an-toerana izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.