Actualités

Alalahana ny volamena, halalahana ny basy Ho zava-doza !


  • Zoma 07 Aogositra 2015

Fanapahan-kevitra roa goavana no noraisin’ny fitondrana Rajaonarimampianina tamin’ity herinandro ity

 

. Voalohany ny fanalalahana ny fitrandrahana volamena, faharoa ny fandrafetana volavolan-dalàna hankatoavana ny fifanekena iraisam-pirenena momba ny varotra fitaovam-piadiana. Marina fa mbola haroso hakana fankatoavan’ny Parlemanta ity volavolan-dalàna ity saingy iaraha-mahita ihany ny mitranga eny Tsimbazaza eny, indrindra fa fifanekena iraisam-pirenena ity haroso ity. Azo antoka fa tsy tongatonga ho azy ny nandraisana ireo fanapahan-kevitra goavana izay mety hanova ny zava-misy ara-piarahamonina sy ara-toekarena eto Madagasikara, ka mampametraka fanontaniana hoe maninona no amin’izao vanim-potoana mampisafotofoto ara-pitantanana sy anjaran’ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny firenena izao no andraisana ireo fepetra ireo. Ny fanalalahana ny fitrandrahana volamena aloha dia hitarika fiainana toy ny any Texas araka ny fanoharana. Potika ny tontolo iainana, manjaka ny didin’ny be sandry sy be vola. Hanampy trotraka ny fanalalahana ny fitazonana basy. Tsy hifankahitana eto, ary vao mainka ho zava-doza no hitranga raha misy ny valifaty. Mbola maro rahateo ny raharaha tsy miravona eto, indrindra vokatr’ireny raharaha 2002 sy 2009 ireny. Manampy trotraka ny olana aterak’ity fifidianana indray mitoraka ity, izay efa saika mampiaka-peo daholo manerana ny Nosy. Ny asan-dahalo sy ny fanafihana mitam-pidiana efa tsy voafehy, ka raha hiampy fanalalahana ny fitazonana basy izany, mba hiarovan-tena sy hisian’ny fitonian-tsaina, dia mety hahatsiravina ny tsy fandriampahalemana eto.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT