ALAKAMISY ITENINA

Zazakely maty kendan’ny voana lodisia


  • Alarobia 06 Desambra 2023

Fotoam-pahavokaran’ny lodisia izao volana Desambra izao.

Miparitaka tanteraka ity voankazo ity eny an-tsena ka efa misy hatramin’ny 1.000 Ar mihitsy ny iray kilao. Tsy misy izay tsy mihinana azy noho izany ny isan-tokantrano manomboka amin’ny ankizikely indrindra ka hatramin’ny olon-dehibe. Ilana fitandremana fatratra anefa ny fihinanana azy ireny. Mahafaty mantsy ny voany raha tafatsoariaka tampoka any an-tenda toy ny nanjo ilay zazakely iray tany Alakamisy Itenina Fianarantsoa ny faran’ny herinandro teo. Vao 3 taona monja ilay tsy manan-tsiny raha araka ny fantatra. Nihinana lodisia tamin’ny fahaizany izy nandritra izany ka nitsoriaka tampoka ilay voany. Nisakana tao an-tendan’ilay zaza izany, antony nanempotra azy ka niteraka ny fahafatesany hoy ny vaovao. Miantso ny Ray aman-dReny rehetra mba samy hitandrina amin’ny fihinanan’ny ankizy lodisia noho izany ireo tompon’andraikitra hisorohana ny tranga mampalahelo tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Voankazo tsara fa ilana fitandremana ny fihinanana ny lodisia !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT