Actualités

Alain Ramaroson Hampiakatra fitsarana ambony


  • Alatsinainy 14 Aogositra 2017

Tsy afa-po tamin’ny didim-pitsarana nivoaka ny 8 aogositra teo, izay manameloka azy higadra 30 volana sy mandoa onitra 200 tapitrisa noho ny raharahan-tany teny Ambohimangakely nifanolanany tamin’ny fianakaviana i Alain Ramaroson.

Noho izany dia anio 14 aogositra ny tenany no hampiakatra fitsarana ambony raha ny loharanom-baovao iray. Fantatra ihany koa fa efa nanao izany izy tamin’ny raharaha ady tany teny Andoharanofotsy, izay efa nanamelohan’ny fitsarana azy 1 taona an-tranomazina miampy onitra 950 tapitrisa ariary, ary andrasana ihany koa izay ho fanapahan-kevitry ny fitsarana manoloana izany. Raha ny fanehoan-kevitra maro amin’izao fotoana  izao, indrindra fa avy amin’ireo mpanao politika namany, dia antsojay politika no antony handetehana ity lehiben’ny Antoko Masters ity. Na izany na tsy izany, dia tsy takona nafenina ihany koa ny resaka fananganam-pahavalo maro nataony teo amin’ny sehatry ny politika, ka mety ho efa maro no niandry kendry tohana azy. Ny tena mahagaga ihany koa, dia ny fahanginan’ireo niara-nitakosona taminy, indrindra fa tamin’ireny andron’ny tetezamita ireny. Toa zary fanaon’ireo niara-nanongam-panjakana tamin’izany fotoana ity tsy miaraka amin’ny resy ity, kanefa mba niara-dia sy nanao izay danin’ny kibo ihany hatramin’izay. Naman’ny olon-dresy tokoa i Alain Ramaroson noho ny fanenjehana mahazo azy, ka zary adino sy tsy misy mpiraharaha.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT