Actualités

Alain Moyon sy Llinarčs Lucien Vazaha mampidi-doza, voaroaka hiala an’i Madagasikara


  • Zoma 19 Jona 2015

Zavontany ny fitarainan’ny mpandraharaha sy olon-tsotra mahakasika an’i Moyon Alain Maurice Marcel sy Llinarčs Lucien Jean Marie. Voakilasy ho vazaha mampidi-doza izy roalahy ireo ary dia voaroaka hiala tsy misy hatak’andro an’i Madagasikara.

 


Vazaha teratany frantsay efa voaheloka tany La Réunion tany i Alain Moyon sy Lucien Llinarès no manao ny ataony eto Madagasikara. Raindahiny amin’ny fisolokiana, tsy fandoavana volan’olona, fibodoana sy fisandohana fananan’olona, fanaovana hosoka amin’ny endriny samihafa ary mamiravira olona raha izy roalahy ireo. Ahiana ho ao ambadiky ny fivezivezen’ny vola be mampikorontana ny firenena ihany koa aza. Tsy vitan’izay fa dia mirehareha fatratra ho tsara mpiaro sy mahafehy tompon’andraiki-panjakana ambony eto Madagasikara izy ireo. Orinasa sy mpandraharaha teratany malagasy sy vahiny maro no efa lasibatr’i Alain Moyon sy Lucien Llinarès ary nataon’izy ireo nandraingiraingy mihitsy. Nanao fitarainana an-tsoratra tamin’ny alalan’ny mpisolovava azy avy ireo mpandraharaha ireo, nalefa tany amin’ny minisiteran’ny Atitany ny faran’ny volana mey 2015 teo, mangataka ny handraisana fepetra handroahana azy roalahy hiala eto Madagasikara, fa tsy vitan’izay hampidi-doza amin’ny filaminam-bahoaka fa hanimba ny toekarena malagasy ihany koa. Tsy niandry ela fa ny 1 jona 2015 dia namoaka didy fanapahana ny minisiteran’ny Atitany nanafoana avy hatrany ny «Visa» na fahazoan-dalana hipetraka eto Madagasikara teny am-pelatanan’i Alain Moyon sy Lucien Llinarès ary mandidy azy roalahy ireo hiala eto Madagasikara tsy misy hatak’andro. Marihina fa efa voaroaka hiala teto Madagasikara ireo vazaha roalahy ireo tamin’ny 2009, araka ny fanapahana laharana faha-022-MI/SG/DGAT/SCE tamin’ny 03 febroary 2009 ary voarara tsy mahazo mandia an’i Madagasikara intsony. Hagagana anefa ny an’ny rehetra nahafantatra fa niverina mangingina ary tafiditra eto indray izy ireo, manohy ny fomba ratsy fanaony hatramin’izay. Nisento tokana, mahatsiaro ho afa-doza, ireo mpandraharaha eo anatrehan’ny fanapahan-kevitry ny fanjakana.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT