Alain Mahavimbina

«Tokony hizara mazava ny andraikitra sy ny ratsa-mangaika»


  • Zoma 14 Novambra 2025

Te hanohy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny

fianakaviambe iraisampirenena matoa izy ireo manatona antsika amin’izao fotoana izao, hoy ny mpahay lalàna, Alain Mahavimbina. Toy izany koa, hoy izy, ireo mpiara-miombon’antoka, na avy eto an-toerana io na avy any ivelany. Ny tokony ataon’ireto filoham-panjakàna ireto no dikan’izay, satria izy ireo no mitarika ilay tetezamita, dia tokony izy izany hametraka mazava ny rafitra. Ny fitsinjaràna andraikitra manomboka amin’izy 5 lahy ka hatramin’ny rantsa-mangaika rehetra no tokony mba hazava amin’izay. «Organigramme» io rafitra tiana resahina io. Izay no hahafahany manambatra ireo mpanatanteraka na «exécutif» miisa 2. Misy tsinona ny mpanatanteraka anivon’ny fiadidiana ny repoblika, izay soloin’ny filoham-panjakàna tena. Eo koa ny governemanta izay mpanatanteraka ny vinavinan’asa sy fandrindràna asa apetrak’ilay mpanatanteraka ao amin’ny fiadidiana ny repoblika. Ny tsy fisian’ny antsoina amin’ny teny vahiny hoe «attribution» na fitsinjaràn’asa mazava eo amin’izy 5 solontenam-panjakàna na filoham-panjakàna, mipaka amin’ny governemanta sy ny rantsa-mangaika rehetra dia hampanahirana ny fiaraha-miasantsika amin’ireo mpiara-miombon’antoka ihany na dia efa eo aza ny fanirian’ireo mpiara-miombon’antoka ireo hamerina ny fiaraha-miasa ao anatin’izay fitadiavana tombontsoa ho an’ny andaniny sy ankilany izay. Tokony ho ataon’ny fitondràna mazava ny fametrahana fitsinjaràna andraikitra! Mbola tsy mazava ny rafitra amin’izao fotoana izao satria na ny lahatenin’ny HCC aza dia efa mametraka fiovàna lehibe tamin’ny fomba fijery sy fisainana miaramila. Ny miaramila mametraka fa iarahan’izy 5 mirahalahy mitantana na «coprésidence» ilay tetezamita. Ny fanapahana na «décision» navoakan’ny fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana na HCC nefa dia hoe misy iray amin’izy 5 no misolo tena dia ny Kolonely Michael Randrianirina. «Les autorités militaires» na ohatran’ny hoe fahefàna miaramila marobe izany nefa no voasoratra. Mila ihoaran-drizareo izay ahazoan’ny rehetra mandray anjara mavitrika tsy mitarazoka sao hanahirana antsika amin’ny fandrindràna asa hananan’ireo mpiara-miombon’antoka ireo toky hiverenan’ny fiaraha-miasa mazava eo amin’ny andaniny sy ny ankilany eto Madagasikara. Antony manamafy ny tokony hizaràna mazava ny andraikitra ny filazàn’ny Kolonely Michael Randrianirina hoe mandeha ambony atody izy na nandova fanjakàna efa robaka. Mila manomboka amin’ny fitsinjaràna andraikitra mazava dia miitatra hatrany ny fitondràna. Izay no hahafahana mizotra aingana any amin’ny filaminan’ny fitantanana rehetra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT