Alain Mahavimbina

«Azo atao tsara ny miverina amin’ny ara-dalàna anaty tetezamita»


  • Zoma 17 Oktobra 2025

Ny ahafahantsika miverina amin’ny

ara-dalàna sy ara-drariny na «légal et légitime» amin’izao fotoana izao, hoy ny mpahay lalàna, Alain Mahavimbina, dia efa natomboky ny fitondràm-panjakàna vaovao tamin’ny fanambaràna fisian’ny tany mihotakotaka na «situation d’exception». Aorian’izay, hoy izy, dia rava ny andrim-panjakàna rehetra. Lasa fitondràna miaramila na «directoire militaire» anaty fotoana fohy izany no mitondra ny tany sy ny fanjakàna satria nandray andraikitra ny miaramila. Aorian’izay tsy maintsy miroso amin’ny fakàn-kevitra na «consultation» izy. Tsy miresaka «dialogue» na dinika aho. Ny vokatr’io fakàn-kevitra io no ahafahana manangana governemanta iraisan’ny tekinisianina sivily sy miaramila na «gouvernement militaro-civile». Manana iraka io. Misy asa mazava azo tsapain-tanana ho ataon’io. Voalohany indrindra, ny famerenana ny tany hilamina. Ny tena zava-dehibe koa dia ny fahafahan’ny olona miodina miverina miasa. Famerenana amin’ny laoniny ny fiainana ara-tsosialy sy toekarena izany. Mety ho olana voalohany indrindra ny tsy fifandraisan’ny lalàmpanorenantsika sy ny fiainam-bahoaka. Tsy maintsy hirosoana izany ny fikitihana na fanovàna mihitsy ny lalàmpanorenana. Midika fanovàna repoblika koa izany. Tena tsara ary azo atao tsara ny miverina amin’ny ara-dalàna anaty tetezamita. Efa nanambara fisiana tany mihotakotaka isika. Io governemanta anaty tetezamita io avy eo hamorona karazana lahateny na «texte». Io lahateny foronin’ilay governemanta itondràna tetezamita io no ataontsika hoe lalàmpanorenan’ny tetezamita na «constitution de la transition». Tsy maintsy mandalo fitsapàn-kevi-bahoaka. Amin’izay dia afaka mandray fepetra amin’ny lalàna ny fitondràm-panjakàna. Ampiasaina ny didim-pitondràna voafaritra amin’ny andininy 2015-957, ohatra. Io izao mametraka ny hoe «Structure local de concertation» na SLC, izany hoe, rafitra ifotony ifampiheràna. Aleo ireo mpikambana ao no hiangaviana hifidy ilay lahateny kely misy andininy miisa 12 manambara ilay lalàmpanorenan’ny tetezamita. Rehefa nekena ny hitondràn’ireto governemantan’ny tetezamita ireto satria ny tanjon’ny fanjakàna dia ny fiverenana amin’ny lamina araka ny tokony ho izy dia mila tetezamita ara-dalàna sy ara-drariny isika. Voalohany maneran-tany amin’ny mahavita izany isika raha mahavita, hoy hatrany ity mpahay lalàna ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT