Ala mitahiry ireo harena voajanahary

Latsaky ny 10% sisa tavela ankehitriny…


  • Zoma 10 Janoary 2025

Latsaky ny 10% sisa ireo ala tavela mitahiry ireo harena voajanahary sy biby ary zava-maniry tsy fahita raha tsy eto Madagasikara.

Hanjavona izany afaka 25 taona, raha ny fihazakazaky ny fahasimban'ny ala, indrindra raha tsy misy fepetra entitra hanatsaharana izany, araka ny tatitra nentin’ny fampahalalam-baovao iray omaly. Manoloana izany dia miray hina, miara-manameloka ny fahamaizana sy ny fanimbana tontolo iainana amin'ny endriny rehetra ny fikambanan'ireo ''Tours Opérateurs'' eto Madagasikara. Nanolotra soso-kevitra izy ireo toy ny tokony hanasiana polisin'ny ala isaky ny faritra arovana mba hahafahana manena ny afo manerana ny nosy. Hatsangana koa ny sehatra hifanakalozana hijerena vahaolana maharitra manoloana ny tranga misy eto amin'ny firenena. Misy koa ny tetikasa hafa iarahana amin'ireo mpiara-miombonantoka miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana, hoy hatrany ny tatitra. Nambara fa mampiditra vola betsaka ao amin'ny kitapom-bolampanjakana ny sehatry ny Fizahantany, ary fototry ny asan'ny olona maro eto amin'ny firenena. Tsy ny mpitari-dia ihany, tsy ny mpanao hotely ihany, fa maro tsy tambo isaina ny voakasik'izany, ka manentana ny tsirairay avy mba tena hiaro ny tontolo iainana indrindra ireo ala sy ireo faritra arovana izay tena mampiavaka antsika sy mahasarika mpizahatany maro, hoy hatrany ny fanentanana.

Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT