Actualités

Ala honko ao Boanamary Hentitra ireo vondron’olona ifotony amin’ny fiarovana azy


  • Alatsinainy 22 Jona 2015

Reny mpamelona ireo mpitrandraka drakaka ao Boanamary ny fisian’ireo ala honko misy ao an-toerana ka ho hentitra izy ireo ny amin’ny fanaraha-maso sy ny fiarovana azy io taorian’ny fandraisana andraikitra ny sampandraharaha misahana ny tontolo iainana sy ny ala Boeny.

 

Nandritra ny fankalazana ny hetsika ala honko misoma dia ny paikady rehetra ahafahana miaro io ala io no navoitra ary samy nitondrana ny fanazavana amin’ny maha zava-dehibe fiarovana azy io ny rehetra mpandray anjara. Nampahafantarina ireo mponina fa ny ala honko no toerana hitoerana ireo hazandranomasina toy ny drakaka, akamba sy ireo karazana trondro ka tsy maintsy arovana izy ireo manomboka izao. Ny olona iray mpitrandraka dia tokony hamboly ala honko dimam-polo aorian’ny fitrandrahana ataony mba hananan’ireo biby ireo toerana fanatodizana. Tsy ao Boanamary ihany anefa no hiarovana ny ala honko fa ny toerana rehetra eto Madagasikara indrindra ireo sisin-dranomasina. Mampitombo ny vokatra drakaka sy akamba ny fisian’io ala io.  

 

Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT