Ala atsinanana

Nesorina tanaty lisitry ny tandindonin-doza


  • Zoma 11 Jolay 2025

Tsy ho lany ny ala atsinanana, hoy ny nambaran’ny filoham-pirenena teo aloha, Didier Ratsiraka, fahavelony.

Efa nahiana anefa ny hahatongavana tamin’izany, tany amin’ny taona 2010, fotoana nampidirana ny ala mando ao Atsinanana tao anatin’ny lisitry ny vakoka iraisampirenena tandindonin-doza an’ny UNESCO. Nambara tamin’ny fomba ofisialy ny 9 jolay teo tany Parisy, Frantsa, kosa ny fanesorana ity Ala Mando ao Atsinanana ity tsy ho isan’ny vakoka iraisampirenena tandindonin-doza intsony, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Valanjavaboahary miisa 6 no mandrafitra ireo ala mando ireo, raha tsiahivina dia i Masoala, Marojejy, Andohaela, Zahamena, Ranomafana, Andringitra. Esorina amin’ny lisitra mena, araka izany, ity ala ity. Nandritry ny fivoriana faha 47 nataony no nanapa-kevitra momba izany ny "Comité du patrimoine mondial" na ny komitin’ny vakoka iraisampirenena. Niarahan’ny fanjakana malagasy, ny mponina ary ny fiaraha-miombon’antoka ho fiarovana ny zavaboary sy ny tontolo iainana ny ezaka nahatongavana tamin’izao vokatra izao, raha ny fampitam-baovao sy fanazavàna voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT