Ala atsinanana

Ahiana ho ringana tanteraka


  • Talata 03 Desambra 2024

Manomboka ripaky ny doro-tanety noho ny afitsok'ireo mpanao tavy ny ala amin'iny faritra atsinanana iny,

indrindra fa ireo ala manamorona ny lalam-pirenena faharoa na RN2, hoy ny fampitam-baovao voaray. Manomboka eo Mandraka Park mipaka hatrany Toamasina Renivohitr'i Betsimisaraka iny dia tsikaritra fa miha solaloha ireo tendrombohitra ary manomboka mangadihady ny tanety satria hodoran'ny olona ny ala, mirehitra ireo Ravinala izay tena singa iray hamantarana an'i Madagasikara. Raha araka ny filazan'ilay mpivarotra amina hotely iray ao Antsampanana dia vokatry ny hafitsok'ireo mpanao tavy, mpandoro saribao no nahatonga izao. Na izy io iniana natao, na vokatry ny tsy nahy noho ny herin'ny rivotra izay mitondra ny afo. Araka ny nambaran’i Verohanitra, mpianatra ao amin'ny Lysea Rabemanjara, indray dia rehefa hanafika any ambanivolo any ny dahalo dia doran'izy ireo aloha ny ala na ny tanety, miezaka mamonjy mamono afo ny olona dia miditra an-tanàna mora foana izy ireo. Manoloana izany dia mangataka ny ministera mpiahy ny mponina hijery manokana izao fahavoazan'ny tontolo iainana izao fa ho ringana tanteraka ny ala Atsinanana raha mitohitohy ny tahaka izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao sy fitarainana voaray avy any an-toerana.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT