Actualités

Akon’ny fiovaovan’ny toetr’andro Marefo ny 63%n’ireo tontolo arovana


  • Talata 11 Aogositra 2020

Ny 72 amin’ireo tontolo arovana ambonin’ny tany miisa 122 eto Madagasikara, izany hoe ny 63%n’ny tontolo arovana Malagasy dia saika marefo noho ny fiovaovan’ny toetr’andro avokoa, raha ny tatitra farany nataon’ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana na WWF.

 

 

 

Maro ireo risika voajanahary mifandraika amin’izay fahapotehana miandalana izay, raha ny fanazavana. Isany ny haintany, ny rivo-mahery, ny fihenan’ny orana. Ny 53%n’ireo tontolo arovana ambonin’ny tany sy samihafa eto dia tena marefo noho izay fiovaovan’ny toetr’andro izay, raha ny fanadihadiana hatrany. Marefo ihany koa ny 47%. Manova ny toetran’ireo ala ny vokatr’izay fiovaovaon’ny toetr’andro izay avy amina loza samihafa toy ny rivodoza matetika sy haintany miverimberina. Manimba toe-tany sy fonenana ihany koa ary maha lany tamingana zavaboary samihafa mihitsy. Isan’ny voakasik’izany ireo karazan-java-maniry Malagasy miisa 750. Ny 90%n’izy ireny dia ao anatin’ireo tontolo arovana miisa 72 nanaovana ny fikarohana. Raha tsy misy, noho izany, paikady matotra iarovana ny tontolo iainana dia mety ho tandindomin-doza hatramin’ny fiainam-bahoaka satria manome rano, sakafo, akora fototra ireo tontolo arovana. Isan’ny efa vahaolana neken’i Madagasikara voarakitra ao amin’ny fifanarahan’i Paris ny taona 2015 ny fanenana ny fandefasana entona na “gaz à effet de serre” ka ny tanjona dia ny hanena ny fandefasana izany ho 14% ary hampitombo ny fahafahan’ireo ala mamoaka karbaonina hatramin’ny 32% hatramin’ny 2030. Tsy ho tratra anefa izany, raha tsy mihena be ny doro tanety, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT