AKON’NY FETIN’NY NOELY

65 voasambotra, 4 ireo faty hita


  • Alarobia 27 Desambra 2023

Polisy manodidina ny 2.000 teo ho eo no indray nahetsika sy niasa

nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Noely afak’omaly Alatsinainy 25 Desambra. Miisa 65 ireo olona voasambotra nandritra izany. Samy manana ny antony nisamborana azy izy ireo. Tao ny tratra nitondra fitaovam-piadiana toy ny antsy. Iray izy io. Tao ireo namaky trano ka olona iray koa no voasambotra. Tao ireo nanao sinto-mahery sy fanendahana izay miisa 12 . Nisy koa ny halatra tsotra ka olona 4 no voasambotra. Miisa 02 ireo olona tratra saika hanatanteraka halatra kanefa voasakana. Miisa 3 ireo tratra nitondra sy nandray zava-mahadomelina raha miisa 12 ireo mamo an-dalambe voasambotra. Nanaovana fanadihadiana manokanany 30 isa tamin’ireo . Miisa 04 ireo faty hita nanomboka ny datin’ny 24 Desambra raha 04 kosa ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao anatin’ny fety ka ny telo naharatrana olona miisa 04, ary ny iray kosa nahasimbana fananana.

Ho an’ireo nandalo teny anivon’ny hopitaly kosa, dia 150 ireo nandalo fitsaboana teny amin’ny HJRA Ampefiloha nandritra ny fetin’ny noely. Lozam-pifamoivoizana no isan’ny be indrindra, ary antony nahafatesan’olona. Nisy ihany koa ny naratra vokatry ny ady nateraky ny hamamoana. Nisy fiakarana ny tranga mitaha tamin’ny taon-dasa, raha ny tatitra.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo faty hitan’ny polisy nandritra ny fetin’ny Noely !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT