Akon'ny rivodoza Fytia

Tafakatra 7 no maty 60000 mahery traboina


  • Talata 03 Febroary 2026

Mivoaka ny antontan'isa mikasika

ny voina sy takaitra nentin'ny rivodoza tropikaly Fytia. Tamin’ny ankapobeny, tafakatra distrika 29 miparitaka amin’ny faritra 8 dia Boeny, Analamanga, Melaky, Sofia, Vakinankaratra, Betsiboka, Atsinanana ary Alaotra Mangoro no voakasika. Tafakatra 7 ny maty, ka iray tao Antananarivo II, iray tao Ambato Boeny, roa tao Soalala ary telo tao Anjozorobe, araka ny tatitra vonjimaika navoakan’ny BNGRC (Birao Nasionaly misahana ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandindon-doza) omaly 02 febroary. Ankoatra izany, olona iray no mbola tsy hita, nentin'ny rano tao amin’ny renirano Mahamavo, ao amin’ny kaominina Ambalakida (distrikan’i Mahajanga II). Mitohy ny fikarohana. Olona 5 kosa no naratra. Hatramin’ny omaly, 60 758 olona voakasiky ny loza sy traboina (14 007 tokantrano), ka 19 708 olona (5 047 tokantrano) no voatery nafindra toerana. Goavana ihany koa ny fahasimban’ny fananana: trano 10 853 no dibo-drano, 1 406 simba ary 1 776 rava tanteraka. Eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, efitra fianarana 127 no voahelingelina ampahany, 71 simba amin’ny ampahany ary 52 rava tanteraka. Mitohy hatrany ny fanombanana ny fahavoazana sy ny asa fanampiana ho an’ireo vahoaka voakasika. Nanamarika ny BNGRC fa ny fiarovana ny vahoaka tra-boina sy ny fanombanana ny fahasimbana no laharam-pahamehana amin’ny fandrindrana ny fanampiana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT