Tompondaka ny Alemana. Nitsimbadika ny tantara. Ry zareo National Manshafft no ekipa eoropeana voalohany nandrombaka amboara tany Amerika latina. Na izany aza dia tany amin’ny fanalavam-potoana vao hita ny tompondaka eran-tany vaovao omaly tany Maracana Brezila dia ry Rainiboto (Alemana) nandresy an-dry Messi (Arzantina) tamin’ny isa 1 no ho 0. ....
Baolina tena manja dia manja matin’i Mario Götze avy amin’ny tolotra avy any an-kavia nomen’i Schürrle. Mpilalao fiandry nisolo toerana an’i Miroslav Klose (88’) ny lehilahy ary baolina fanindroany matiny tamin’ity Mondial ity io naha-tompodakan’i Alemaina io. Nanao ny tsy ambinina ry Messi fa niady hatramin’ny farany ary tena nampitaintaina fatratra hatramin’ny segondra farany ny lalao. Mbola nahazo “coup franc” i Messi (119’) fa niakatra ny baolina. Nitombina ny fanambaran’i Maradona fa tsy ho tompondaka i Arzantina. Nirotsadrotsaka indray ny ranomaso tao Brezila omaly.
Voahosotra ho mpiandry harato mendrika indrindra i Manuel Neuer (Allemagne), mpilalao mendrika indrindra kosa i Lionel Messi (Argentine), mpampidi-baolina be indrindra (6) i James Rodriguez (Colombie).
Lanonam-pamaranana tanaty loko maro
Ankoatra ny dihy isan-karazany nampiseho loko maro ny kolontsaina brezilianina tamin’ny akanjo raitra sy vehivavy nitafy sahisahy ary koa ireo firenena roa nanao ny famaranana dia mbola niavaka tanteraka tamin’ny lanonam-pamaranana ny Mondiala 2014 nialoha ny lalaon’i Arzantina sy Alemaina ny seho an-tsehatra nifarimbonan’i Rihanna, i Santana mpitendry gitara malaza sy ny vehivavy mpikapoka aponga maroanaka, i Wyclef Jean sy Alexandre Pires.
Maharaka hatrany amin’ny tany efitra
Miasa ny ordinatera finday sy baterian’ny fiara hanarahana Mondial hatrany amin’ny tany efitra any Arabia Saodita. Tsy voalaza mazava moa hoe : inona no mba tsaky sy rano sotroin’ireto Saodianina miaraka amin’ny Ramevany ireto eo am-panarahana ireo lalao atrehana.