Afaka tamin’ny fanamby nataony ny minisitera izay nilaza fa hanatsara ny filaharana miohatra amin’ny Lalaon’ny Nosy teo aloha no tanjona
. Lah-4 i Madagasikara tany Seisela ny taona 2011 taorian’i la Reunion izay nahazo volamena 58, sy Seisela (57) ary Maorisy (38). Medaly volamena 34 no azontsika malagasy tamin’io ary niakatra lasa 36 izany tamin’ity indray mitoraka ity na teo aza ny fahasembanana maro. Hiverina hiaraka anio amin’ny sidina manokana ny delegasiona malagasy, hiainga any la Réunion amin’ny 1ora any an-toerana.
Ralisinirina no nilanja ny saina tamin’ny lanonam-pamaranana
Tenisy : Noraofin’i Madagasikara avokoa ireo medaly volamena dimy
Voaporofo, toy ny tamin’ny Lalaon’ny Nosy 2007, fa mbola i Madagasikara no henjana amin’ity taranja ity aty amin’ny oseana indiana. Tsy nataon’ny ekipa malagasy niangana mantsy ireo volamena tamin’ireo sokajy rehetra nifaninanana tany la Reunion izay natao tao amin’ny TC Champ Fleuri. Nahazo ny volamenan’ny olon-tokana vehivavy Razafimahatratra Zarah rehefa nandresy an’ilay reunioney Pauline Payet (6/4, 6/1) tamin’ny famaranana. Mbola malagasy, Andriamarosoa Sandra ihany koa no nahazo ny alimo. Nandrombaka ny volamenan’ny olon-tokana lehilahy kosa Rakotondramanga Antso izay nanilika an’ilay renioney Quentin Robert (6/1, 6/2) tamin’ny famaranana. Nisalotra ny volamenan’ny olon-droa vehivavy Rasolomalala Niriantsa sy R. Zarah izay nampiondrika an’ny ekipa renioney nisy an’i Angela Leweurs-Pauline Payet (6/4, 7/6). Ho an’ny olon-droa lehilahy dia lavon-dRasolondrazana Jacob sy R. Antso tamin’ny famaranana (7/6, 7/5) ny ekipan’i la Reunion nisy an’i Florent Bax sy Olivier Duberville. Mbola azon’ny malagasy koa ny isan-tarika lahy sy vavy miaraka ka mbola ry zareo mpampiantrano hatrany no resintsika malagasy tamin’ny famaranana.
Antso nahazo ny volamenan’ny olon-tokana lehilahy
Baskety : Nionona tamin’ny volafotsy ny ekipa lahy sy vavy
Samy resin’i la Reunion tamin’ny famaranana avokoa ny ekipa lahy sy vavy ary nionona tamin’ny medaly volafotsy ny 8 aogositra teo tao amin’ny Complexe sportif municipal Le Port. Ny ekipa vehivavy resy tamin’ny isa 60-46. Ny ekipa lehilahy kosa lavo tamin’ny isa 84-70. Baskety vehivavy nandavo an’i Seisela mazava 106-32 tamin’ny manasa-dalana ny 7 aogositra. Raha tsiahivina, ny lehilahy nanilika an’i Maorisy tamin’ny isa 76-50 tamin’ny manasa-dalana.
Volley : Volafotsy ho an’ny ekipa vehivavy
Medaly volafotsy no azon’ny ekipa vehivavy rehefa lavon’i Seisela seta 3-1 (25/22 ; 23/25 ; 18/25 ; 11/25) tamin’ny famaranana tao St Denis. Ny ekipa vehivavy moa dia nanamontsana ny Maorisianina tamin’ny seta 3-0 (25/21, 25/19, 25/19) tamin’ny manasa-dalana ny 5 aogositra. Resin’i la Reunion tamin’ny seta 0-3 kosa ny ekipa lehilahy tamin’ny andro faran’ny fifanintsanana tao amin’ny kianja monisipalin’ny St Leu.
Nisalotra volafotsy ny ekipa vehivavy
Hand : Niravaka alimo ny ekipa lahy sy vavy
Resin’i la Reunion tamin’ny isa 17-30 ny ekipa vehivavy tamin’ny manasa-dalana ny 6 aogositra teo tao amin’ny kianja mitafon’i Daniel Narcisse la Possession. Samy niady ny lah-3 moa ny ekipa lahy sy vavy ary samy nandresy ka niravaka ny medaly alimo. Ny 7 aogositra ny ekipa vehivavy nandresy an’i Maorisy 36-21 tamin’ny fiadian-toerana ary ny ekipa lehilahy kosa nandresy an’i Seisela 45-26.
Fonjamby : Volafotsy tokana sy alimo folo tamin’ny andro farany
Tsy nahazo volamena intsony ny ekipa malagasy tamin’ny andro faran’ny fifaninanana tao amin’ny kinaja mitafon’i Moufia St Denis. Volafotsy iray sy alimo folo no vokatra tamin’io. Alimo telo no azo tamin’ny sokajy -69kg vehivavy, tamin’ny alalan-dRandrianandrasana Sitraka (TO : 156kg), ny “arraché” (71kg) ary ny “épaulé-jeté” (85kg). Volafotsy tokana sy alimo roa kosa no azon-dRanamaharinirina Nathalie sokajy -75kg, volafotsy ny “épaulé-jeté” (88kg) ary alimo ny TO (146kg) sy ny “arraché” (64kg). Alimo roa no azon-dRandriamialimanana Andry sokajy -85kg lehilahy dia ny “arraché” (117kg) sy ny TO (117kg). Farany, alimo telo no azon-dRakotondramanana Harinelina sokajy -94kg lehilahy dia tamin’ny “arraché” (95kg), ny “épaulé-jeté” (120kg) ary ny TO (215kg).
Lomano : Volamena 1, volafotsy 2 ary alimo 4
Nisy fivoarany ny vokatra ho an’ny lomano malagasy. Ny 6 aogositra tao amin’ny dobon’i Michel Debré St Denis dia nahazo medaly volafotsy tamin’ny 100m tsipy sandry roa Ralefy Sitraka Anthony (56.11). Medaly alimo telo no nanampy an’io izay tamin’ny 100m mitsilany azon-dRasolonjatovo Michael (1.02.32), tamin’ny 50m lomano tsotra azon’i Sitraka (0.24.30) ary tamin’ny 4x100m mifampitohy ka i la Reunion sy Maorisy no tao alohan’i Madagasikara (4.11.43). Ny 7 aogositra no tena nahitana vokatra tsara indrindra. Lasan-dRalefy Sitraka Anthony ny volamenan’ny 50m tsipy sandry roa (0.24.60) sady zava-bita nasionaly vaovao io. Ankoatr’io tamin’ny 200m mitsilany dia nahazo medaly volafotsy Michael (2:18,40) ary alimo ho an’i Nomena (2:18,60).
Handisport : Nofaranana tamin’ny volafotsy efatra
Medaly volafotsy efatra no azon’i Madagasikara tamin’ny andro faran’ny fifaninanana ny 6 aogositra tao amin’ny kianja Paul Julius Bénard St Paul. Razanamaharo Francoise tamin’ny 800m vehivavy manana fahasembanana (3'04''60) ary Randriamamimahefa ny lehilahy (2'22''50). Ny medaly volafotsy roa kosa tamin’ny 1500m lahy sy vavy amin’ny seza misy kodiarana tamin’ny alalan-dRatsararay Solomon (4'45''90) sy Martina Franckline (5'34''38).
Kitra : Namotsotra volamena ny Barea vehivavy
Namotsotra ny medaly volamena ny Barea vehivavy rehefa lavon’i la Reunion tamin’ny isa 3-1 tamin’ny lalao famaranana ny 8 aogositra tao amin’ny kianja Jean Ivoula St Denis. Ny Barea lehilahy kosa lavon’i la Reunion tamin’ny manasa-dalana tamin’ny isa 1-0 ny 6 aogositra tao amin’ny kianja Michel Volnay St Pierre ary mbola lavon’i Maorisy 3-1 tamin’ny fiadian-toerana tao amin’ny kianja Lambrakis Le Port.
Namotsotra tamin’ny fotoana farany ny Barea vehivavy
Ady totohondry : Tsy nahavita afa tsy volafotsy sy alimo telo avy
Nihen-danja be ny ady totohondry malagasy satria sambany tsy nisalotra medaly volamena na iray aza. Tao amin’ny kianja mitafo Nelson Mandela St Pierre no nanaovana ny fifaninanana. Volafotsy telo no vokatra tsara indrindra izay azon-dRabenarivo Lalaina sokajy « mi-mouche » izay resin’ilay renioney Tsang Hing tamin’ny famaranana. Ny volafotsy fah-2 tamin’ny sokajy « plume » izay nosaloran-dRakotomanga Heritovo Sitrakiniaina rehefa lavon’ilay maorisianina Jean Jordy tamin’ny famaranana. Ny volafotsy fah-3 tamin’ny sokajy « super leger » tamin’ny alalan-dRajaonarison Nomenjanahary Julien izay resin’ilay maorisianina Colin Richarno tamin’ny famaranana. Ireo alimo telo kosa azon’i Tombo Rutchie sokajy « mouche » sy Takaloniaina Haja sokajy « moyen » ary Randrimanantena Rodolphe sokajy mavesatra.
Bisikileta : Nahazo alimo i Dama
Ela ny ela fa niravaka medaly ihany ny malagasy. Nisalotra ny medaly alimo tokana i Miarintsoa Njakatiana Dama tamin’ny « Course individuelle en ligne » nirefy 104.8km tany Bras Panon. 2:38:02 no fotoana vitany taorian’ireo maorisianina roa lahy Lincoln Yannick 2:37:40 sy Rabaye Andre 2:37:40.
|
Filaharana |
Vm |
Vf |
Al |
Totaliny |
|
La Réunion |
84 |
72 |
53 |
209 |
|
Maorisy |
66 |
49 |
70 |
185 |
|
Madagasikara |
36 |
45 |
42 |
123 |
|
Seisela |
25 |
40 |
31 |
96 |
|
Mayotte |
2 |
6 |
5 |
13 |
|
Maldives |
1 |
2 |
5 |
8 |
|
Kaomaoro |
0 |
0 |
0 |
0 |
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.