Nizaram-pifaliana sy ranomaso tamin’iny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona 2014 iny tany amin’ny kaominin’i Lakato distrikan’i Moramanga, araka ny tati-baovao nentin’ny depiote Randriamahefa Henri Charles nandalo tany an-toerana......
Ny andro sabotsy 21 jona izahay no nitokana ny tranon’ny Epp vaovao tao Lakato nandaniana vola 60 tapitrisa Ariary avy amin’ny BIT. 100 taona aty aorian’ny nitsanganan’ilay Epp tamin’ny 1914 vao mba nisy izao fanamboarana vaovao izao. Tena mitoka-monina ity kaominina ahitana fokontany 17 ity. Ny lalana mankany an-toerana efa tsy lazaina intsony ny haratsiny, ny rano fisotro madio tsy misy. Ny fifandraisana tsy mandeha. Efa mba nitondra ireny “village phone” ireny izahay fa tsy nanjary. Ny toeram-pitsaboana tsy misy dokotera fa nahazo famindran-toerana ny tao ka mpitsabo mpanampy iray no misahana mponina 23.000. Tany amin’ny fokontany Volabolo, 3 andro an-dalana miala an’i Lakato kosa tamin’ny andron’ny 26 jona mihitsy teo am-pananganan-tsaina dia nofirain’ny lehilahy iray antsy lava noho ny antony tsy fantatra hatramin’izao ny olona 3 ka nijinika ny ra fa ny iray voarasa teo akaikin’ny sofiny ka nivoaka hatramin’ny atidohany, ny iray tao amin’ny hatony ary ny iray fahatelo tao an-damosiny samy tafalentika lalina avokoa ny lelana antsy. Rehefa tafakatra taty amin’ny 17 km miala an’i Moramanga amin’ny lalana mankany Toamasina iny vao nifanena ny fiara nitsenana an’ireo maratra ireo niaraka tamin’ireo mpilanja azy avy ka anahetsiny ny vola navoakan’ny tena nitsaboana azy telo ireo, hoy ny depiote Henri Charles. Izay ilay mahasolombavambahoaka any ambanivolo any.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.