Akatoky ny fety

Mampijaly ireo fitateram-bahoaka


  • Alakamisy 26 Desambra 2024

Raha tamin’ny andro taloha dia ny fotoana akatoky ny fety toy iny harivan’ny 24 desambra 2024

teo iny mihitsy no fotoana ifampitsinjovan’ny mpiara-belona amin’ny lafiny rehetra. Isan’izany ny resaka fitateram-bahoaka. Ny tsikaritra nefa dia maro tamin’ireo fitateram-bahoaka, na dia nisy aza ny orambe nanakotsa takariva ireo mpandeha, no nandalo fotsiny teny amin’ireo fiantsonana feno mponina tratra hariva milahatra izay fiara fitaterana izay. Akatoky ny fety indray no mampijaly ireo fitateram-bahoaka. Nanararaotra toy ny banga mihomehy alina ve satria tsy dia maro toy ny nahazatra ireo mpitandro filaminana nandamina ny fifamoivoizana? Na hatramin’ireo antsoina hoe «cadenceur» na mpandrindra ireny fitaterana ireny aza moa toa tsy tazana mihitsy raha ny hita teny amin’iny manodidina an’i Behoririka iny fotsiny!?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT