Actualités

Akany Lovasoa 67 ha 25 taona nifandimbiasan’ny mamy sy mangidy


  • Alatsinainy 16 Jona 2014

Raha nobeazina maimaimpoana ireo ankizy noraisin’ny Akany Lovasoa 67 ha noforonin-dRtoa Céline Ratsiraka, 25 lasa izay, noho ny mbola nahateo amin’ny fitondrana ka nampatanjaka ny Amiraly Didier Ratsiraka vadiny, dia voatery mandoa vola 5000 Ar isam-bolana ankehitriny ireo zaza miisa 100 beazina ao noho ny fihodinan’ny tantaram-pirenena efa niaraha-nahalala.

Miverina amin’ny laoniny tsikelikely anefa amin’izao fotoana izao ny fitantanana rehetra ao amin’ity Akanin-jaza Arema ity amin’ny efa maha eto an-toerana azy mivady lehibe, indrindra efa ny zanak’izy ireo vavy Zoara Annick Ratsiraka no mandimby an-dreniny eo amin’ny fiahiana azy. Mijanona ho tompon’andraikitra kosa, indrindra eo amin’ny resaka fitantanam-bola Rtoa isany Dabre Denise sy Raheliarisoa Aimée izay nanamarika fa vina fohy ezaka hoeritreretina hatao ny fanakarana ny trano Lovasoa ankehitriny hisy rihana. Notontosaina ny sabotsy teo ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny Akany Lovasoa. Tonga nanotrona ireo lohandoham-pisoron’ny antoko Arema, toa an-dry Pr Ange Andrianarisoa, Simon Pierre, Ramanana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT