AKANIN'NY MARENINA 67 HA

Miatrika fiofanana ny mpampianatra


  • Alarobia 02 Jolay 2025

Miatrika atrikasa mendrika fiofanana ireo mpampianatra eo anivon'ny Akanin'ny Marenina 67ha.

Ingahy Gabe, mpampianatra avy any Etazonia, no manatanteraka ny fampiofanana no sady mizara ny traikefa amerikana mahakasika ny fanabeazana mampiaty. Tanjon'izy ireo moa raha araka ny fanazavan'ny tompon'andraikitra ny hanatsarana ny fampianarana ao amin'ny AKAMA mba ho maodely hatrany amin'ny fanabeazana mampiaty eto Madagasikara izy ireo.Tafiditra ao anatin'izany ny fanaovana fikarohana tsy miato. Tsiahivina moa fa miisa 10 mianadahy ireo mpiadina miatrika ny fanadinam-panjakana BEPC eo anivon'ny AKAMA ankehitriny. 15 mianadahy kosa ireo niatrika ny CEPE izay marihina fa afaka soa aman-tsara avokoa.
Pati
Légende : Nandritra ny fampiofanana ireo mpampianatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT