Actualités

Akanin-jaza Arema Haverina indray ny “cantine”


  • Talata 10 Jona 2014

Ambohipihaonan’ny fianakaviamben’ny Akanin-jaza Arema tetsy Analakely ny sabotsy 7 jona teo.

Nisy ny diabe nandraisan’ireo solontenan’ny Akanin-jaza avy amin’ny faritany enina, niaraka tamin’ny mpitantana niainga teo amin’ny Esplanade, nandalo ny araben’ny fahaleovantena nihodina ny Lapan’ny tanàna ary nifarana tao amin’ny Tahala Rarihasina namaranana ny karnavaly tafiditra amin’ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan’ny Akanin-jaza. Nisy ny fampirantiana sary mirakitra ireo hetsi-pankalazana tontosa nandritra ny volana mey 2014 nitetezana Akanin-jaza teto Analamanga, narahina fanapahana mofomamy mariky ny tsingerintaona nahaterahan’i Annick Ratsiraka. Ity farany izay nampanantena fa dia haverina ny “cantine” eny amin’ny Akanin-jaza Arema manomboka amin’ny fidiran’ny taom-pianarana ho avy, hanohanana ara-tsakafo ny mpianatra hampatsilo saina azy. Efa misy dokotera ny mpianatra novolavolain’ny Akanin-jaza tany Mahanoro, mianatra any Belzika ny novolavolaina tao Ambositra… Hitohy eny amin’ny Akanin-jaza Lovasoa 67ha ny fankalazana amin’ny 14 jona izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT