Actualités

Akama 67 Ha Manana kandida 15 hiatrika ny CEPE


  • Talata 15 Jolay 2014

Niverina tany an-tsekoly nanao famerenan-desona farany mialoha hiatrehana ny fanadinana CEPE anio izy 15 mianadahy mpianatra kilasy faha-7 ao amin’ny Akanin’ny Marenina 67 Ha iandraiketan-dramose Lucien.

Vita ara-dalàna ny fandaharam-potoana ary efa vonona tanteraka ireo ankizy, hoy ny fanazavan’ny mpampianatra. Nahavita fitsapana fanadinana andrana maromaro nandritra ny taom-pianarana izahay, hoy ramose mpampianatra. Mampiavaka ny fampianarana ireo ankizy manana fahasembanana ara-tsofina ny fanaraha-maso azy ireo isam-batan’olona izay antony iray hamerana ny isan’izy ireo ho 10 na mihoatra kely isan-taona. Maro an’isa ny ankizivavy mihoatra amin’ny ankizilahy manana olana ara-pihainoana, araka ny resaka nifanaovana tamin’ny tompon’andraikitra. Mailaka kokoa ihany koa anefa ny zazavavy manoloana ny zazalahy. Momba ny sedra indray dia miatrika ireo taranja miisa 7 tahaka ireo kandida tsy manana olana ireo mpiadina avy ao amin’ny Akama saingy fanampim-potoana ho azy ireo ny fanazavana ny laza adina amin’ny dika tanana. Manana safidy hanohy ny fampianarana ankapobeny na teknika ireo mpianatra manomboka ao amin’ny kilasy faha-6. Anisan’ireo kandida hiatrika ny CEPE 2014 i Nancy sy Avotra. Taranja manahirana kely azy mianadahy ireto, araka ny resaka nifanaovana tamin’izy ireo ny kajy sy frantsay.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT