Akaiky ny fety

Miha manahirana ny fifamoivoizana eto Antananarivo


  • Alatsinainy 23 Desambra 2024

Hatramin’ny zoma teo no hita fa miha manahirana ny fifamoivoizana eto Antananarivo.

Akaiky ny fety. Manomboka mifanaretsaka eny an-tsena ireo mpiantsena, indrindra, raha ny tsikaritra namarana ny herinandro teo teto an-drenivohitra. Na eo aza ny fahasahiranana an-davan’andro dia tsy isan’andro no fety, hoy ny fanehoan-kevitra, ka aleo mba omanina tsara na dia hahafahana manadino vetivety ny fahasahiranana an-davan’andro ihany aza. Maro amin’ireo mponina no hita ho misafidy mizotra moramora amin’ny dia an-tongotra mamonjy fodiana mba tsy hisian’ny adin-tsaina anaty tohamboivoy sy ny fifampisisihana amin’ny fiara fitateram-bahoaka, raha ny hita teto Antananarivo, kanefa na dia eo aza izany dia tsikaritra ho mbola nanerana ny renivohitra hatrany ny faran’ny herinandro teo izay fitohanan’ny fifamoivoizana izay.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT