Akaiky ny 26 jona…

Raikitra ny fisokirana ireo lakandrano eto Iarivo


  • Alakamisy 20 Jona 2024

Niditra an-tsehatra nanao hetsika fanadiovana sy fanalàna tsikafona amin’ny toerana

ahiana ho tratry ny fahatsetseman'ny lakan-drano avy amin'ny tanàna maro ny APIPA (Autorite pour la Protection Contre les Inondations de la Plaine d'Antananarivo). « Opération Fantsika » no iantsoana an’io, izay nanomboka omaly io, ka hotontosaina mandritra ny herinandro maromaro, raha ny serasera nivoaka omaly. Nisy ireo fitaovana voatokana nampiasaina tamin' izany toy ny "pelle mécanique ", fiarabe (camion benne), ka notaterina avy hatrany eny Andralanitra ireo tsikafona sy fako ireo. Teny Andriantany manandrify an'ny Tsaramasay no nanombohana izany ka hitohy any amin'ny faritra mena hafa eny Ampefiloha ny hetsika aorian'izao. Manentana ny mponina rehetra araka izany ny APIPA mba tsy hanary fako anatin'ireny lakan-drano ireny mialohan'ny fandraisana fepetra. Zava-dehibe ny finiavana sy fandraisana andraikitra tahaka izao, saingy ny matetika tsikaritra eto amintsika dia rehefa misy fety toy ny fanamarihana ny 26 jona na hisy vahiny manan-kaja iraisam-pirenena ho avy vao mba mandeha ny fanadiodiovana sy fanatsarana ny tanàna, fanamboarana ny lavadavaka amin’ny lalana, fikarakarana zaridaina manamorona ny arabe, fanadiovana sy fandraofana fako,….
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT