Na dia misy aza ireo manenjika fatratra ny akademiam-pirenena momba ny fanatanjahantena etsy Ampefiloha dia nambaran’ny tale jeneraliny Ranaivoson
Patrice fa miezaka manohy ny asany hatrany izy ireo ho tombontsoan’ny rehetra. Hamoaka mpiofana am-polony izy ireo atsy ho atsy ahitana ireo mpanazatra niveau 3 sy 4 nianatra nandritra ny telo taona. Niatrika ny soutenance de mémoire izy ireo ny faran’ny herinandro teo olona hiasa eny anivon’ireo sekoly mampianatra ny resaka fanatanjahantena…Fantatra nandritra izany fa miezaka mirotsaka amin’ny fampiofanana ifotony amin’izao ny ANS hahafahana manatsara hatrany ny resaka fanatanjahantena eto. Tafiditra ao anatin’izany ireo mpiasa ao aminy hahafahan’izy ireo manatanteraka araka ny tokony ho izy ny asa sahaniny. Tsiahivina moa fa nanomboka ny 15 Jona lasa teo io soutenance de mémoire notanterahin’ny mpianatra io, naharitra dimy andro. Tonga nanatrika ny famaranana izany ny tale jeneralin’ny ANS Ranaivoson Patrice.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.