Nanavao sy nanatsara ireo karazana tolotra omena ny mpanjifa rehetra misy ao aminy ny orinasam-pifandraisanaAirtel Madagascar mba hifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny sonia fifanekem-piaraha-miasa niarahana tamin’ny Camusat ka asa maro no hotanterahina. Anisan’ireny ny fahafahana mamaly ny filan’ny mpanjifa amin’ny fotoana rehetra tsy tapaka, ny fanatsarana ny tambajotram-pifandraisana… Nambaran’Atoa Maixent Bekangba,tale jeneralin’nyAirtel fa ny hahafahan’izy ireo mamaly ny filan’ny mpanjifa no tena tanjony. Eo ihany koa ny hahatonga azy ireo ho lohalaharana sy modely amin’ny lafiny rehetra. Tsiahivina fa any Frantsa no misy ny foiben’ny Camusat. Efa 40 taona niasana teo amin’ny sehatry ny fifandraisana sy ny serasera izy ireo ka anisan’ny traikefa goavana tena ananany ny fanatsarana sy fikarakarana ny tambajotram-pifandraisana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.