AIRTEL ALERTE SPAM

Vokatra vaovao iarovana ny mpanjifa amin'ny mpisoloky


  • Zoma 04 Jolay 2025

Namoaka vokatra vaovao ny orinasam-pifandraisana Airtel hiarovana ny mpanjifa amin'ireo

mpisoloky mandefa hafatra na sms. Airtel alerte spam no anaran'izy io. Taorian'ny nampahafantarana azy tamin'ireo tsena lehibe miisa 14 an' ny Airtel Afrika dia tonga eto Madagasikara izy raha tao Nigeria no nisantarana izany. Maimaim-poana ny fampiasana ity vokatra vaovao ity ho an'ireo mpanjifan' ny Airtel rehetra. Amin'ny alalan'ny fampiasa na Application no hahafahana manatanteraka izany. Raha araka ny fanadihadiana nataon'ny Quartz datant tamin'ny taona 2019 dia Firenena 9 amin'ny 20 lasibatr'io fisolokiana amin'ny alalan'ny finday io ka aty Afrika avokoa no misy azy. Ohatra amin'izany ny hoe : « ARAHABAINA! lanao Dia Voasarika Tamin'ilay Lalao QUIZZ Mlay ka Nahazo Vola 29000000Ar Avy @ AirtelMoney. Antsoy ity Laharana ity Ahafahanao Mandray ny Lokanao »...Fantatra moa fa sms miisa 1,5 miliara no vitan'io vokatra vaovao jerena sy hatao sivana ao anatin'ny 2.000 segaondra ho an'ireo mpanjifan' ny Airtel manerana ny faritra misy azy. Tsy voavaky avy hatrany io sms io amin'ny alalan'ny fampiasana ilay spam potentiel ka afaka miaro ny tenany ilay mpanjifa fa tsy mamaly izany. Avy amin'ny alalan'ny fanokafana ilay sms na famaliana izany mantsy no mety hahazoan'ireo mpanao ratsy ny mombamomba ilay mpanjifa izay mety hohampiasainy amin'ny asa fisolokiana hafa ihany koa. Izany no hatao hoy Rtoa Anne Cathérine Tchokonte, tale jeneralin'ny orinasam-pifandraisana Airtel dia ho fiarovana ireo mpanjifany eto Madagasikara, indrindra ny mba ha nanan'izy ireny fahatokiana sy fitoniana eo am-piatrehana ny fiainana andavanandro.
Pati
Légende : Atoa Harifidy Ratokobe, tompon'andraikitry ny vokatra eo anivon'ny orinasam-pifandraisana Airtel !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT