Actualités

Air Madagascar Traboina ireo mpandeha


  • Talata 07 Jolay 2015

Tsy fantatra intsony izay marina momba ny mpitantana ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar. Araka ny fitateran’ny gazety dia nanambara ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tany Ste

 

 Marie ny  faran’ny herinandro teo fa  tokony  hasiam-panovana  ny eo anivon’ny  fitantanana ny Air Madagascar. Nandritra ny  fankalazana ny fetim-pirenena teo aza dia efa voatonontonona matetika ny anaran’Atoa Eric Koller, tompon’andraikitra  ao amin’ny hotely Colbert Antaninarenina fa hisolo toerana an’Atoa Henry Rabary Njaka, eo amin’ny toeran’ny filohan’ny filankevi-pitantanana. Ity  farany izay  sady sekretera  jeneralin’ny antoko  Hvm  anefa  nandritra ny fivorian’ny antoko tetsy Antanimena dia  mbola nanamafy ny  fanarenana ny orinasa  Air Madagascar  miaraka amin’ireo mpiasa izay mitokona. Fananan’ny  mpiasa  io  no sady fananam-pirenena ka anjaran’izy ireo no mitondra anjara biriky  amin’ny fanatsarana azy. Momba ny  raharaha nitondrana ireo  mpanamory eny anivon’ny  tribonaly indray  dia ny alakamisy izao no hiditra amin’ny fanelanelanana farany  ny  eo anivon’ny fitsarana  ka asa izay dikan’izany na hiverina amin’ny asany ihany  ireo voaroaka na hiala ireo  mpitantana nasaina niala na ho inona. Ny tena mahavalalanina dia ny  mahita ny fijalian’ireo mpandeha  eny amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato izay toa tsy  misy mahita mihitsy. Ny eo anivon’ny fitondram-panjakana moa  miaro ny namany  ary ny mpiasa kosa  te hiaro ny zony sy ny hasin’ny orinasany dia ny mpandeha no potika.

Andry Ratovo   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT