Naaton’ny Fitsarana administrativa ny fanapahan-kevitry ny sampan-draharahan’ny ministeran’ny Asa mandroaka ireo mpiasan’ny Air Madagascar miisa 4, araka ny didim-pitsarana nivoaka omaly teny Anosy.
Miverina misitraka ny sata maha-mpiasan’ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka Malagasy azy avy hatrany izy ireo. Resy teny amin’ny fitsarana arak’izany ny fanjakana momba ity raharaha Air Madagascar ity, na izany az adia mbola manana telo andro kosa ny mpifanandrina hampiakatra ny raharaha. Dingana iray amin’ny famahana ny olana ihany ny fanapahan-kevitry ny mpitondra fanjakana nanendry ireo mpikambana vaovao hitantana ny Air Madagascar. Iaraha-mahalala anefa fa vesatra ho an’ny fanjakana sy ny vahoaka Malagasy hatrizay ny fanomezana fanampiana tsy an-kiato ny orinasam-pitaterana an’habakabaka Malagasy, hoy ny mpitondra tenin’ny mpiasa Rabarilala Rado.Tokony hanjaka manomboka eto ny fitantanana mangarahara sy madio ny orinasa. Hiroso amin’ny fangatahana fihaonana amin’ny filan-kevi-pitantanana amin’izay moa ny solontenan’ny mpiasa handrosoana tolo-kevitra hanarenana ny Air Madagascar izay mifototra amin’ny rafi-pitantanana vaovao, hoy ity mpitarika sendika ity.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.