Actualités

Air Madagascar Novŕna solotenan’ny mpiasa ny mpitantana iray


  • Alakamisy 16 Jolay 2015

Miroso tsikelikely ny famerenana amin’ny laoniny ny orinasa Air Madagascar.Nisy ny fifampidinihina teo amin’ny filan-kevim-pitantanan’ny orinasa (CA) sy ny mpiasa ka tapaka tamin’io fihaonana io fa nosoloina solotenan’ny mpiasa ny iray tamin’ireo tale efatra misahana vonjy maika ny fitantanana ny orinasa.

 

 Omaly tolak’andro dia mbola nitohy hatrany ny dinika ka niompana nisinisy kokoa tany amin’ny  fanarenana ny orinasa ny dinika. Mahakasika ny fikatsahana ny tale jeneraly tompo-toerana hisahana ny fitantanana ny Air Madagascar indray dia efa  nivoaka ny sabotsy ny  tolotra fikatsahana azy ka haharitra hatramin’ny faha 27 ny volana jolay. Afaka roa volana raha ela indrindra dia hanana tale jeneraly vaovao ny orinasa ary ny tanjona dia ny  famerenena amin’ny laoniny faran’izay haingana ny filaminan’ny sidina.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT