Actualités

Air Madagascar Miady i Hery Rajaonarimampianina sy Henry Rabary Njaka ?


  • Alarobia 08 Jolay 2015

Velon-tsiky ireo mpandeha raikitra eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato raha nandre fa nametra-pialana avokoa ireo mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny orinasa Air Madagascar.

 

 Midika mantsy izany fa efa ho tapitra ny fitokonana. Akory indray anefa ny hagagana sy ny hakiviana raha nandre fa miziriziry tsy mety miala indray, hono, ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar Henry Rabary Njaka na dia efa nanome baiko am-bava aza ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Hatry ny omaly anefa, tsy hita izay taratasy manambara amin’ny fomba ofisialy io fametraham-pialana faobe io. Miady ve ny Filoha sy ny talen’ny kabinetrany noho ity raharaha Air Madagascar ity ? Misy marina ny an’ny Filoham-pirenena manala an-dRabary Njaka Henry amin’ny toerany satria mba te hamaha ny olan’ny Air Madagascar ny tenany. Ny mahalasa ny saina dia iza izany sisa no manodidina sy mba namana akaiky ny Filoham-pirenena raha mbola hiady aminy koa io namany akaiky azy io ? Namana nahatoky azy Atoa Andry Nirina Rajoelina fa niadiany. Tonga indray i Dada Ravalomanana fa narirarirany. Farany izao amakian’ny HVM ady izao. Teo indray ireo Solombavambahoaka namadika palitao nisalotra ny lamban’ny HVM, esorina indray koa fa mpamadika, hoy ny filohan’ny antoko Ravotovao Rivo tetsy Antanimena ny alatsinainy teo. Ankehitriny, terena hiala amin’ny toerany ny filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar izay mpiara-misaika aminy. Dia iza izany sisa no manodidina ny Filoha ? Hivory moa anio ireo manana petrabola eo anivon’ny Air Madagascar ka dia ho hita eo ny tohiny.

Andry Ratovo


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT