Hanatanteraka fitokonana fanairana eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato mandritra ny ora 3, amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 ora maraina ny mpiasan’ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar anio
. Be loatra ny resaka sy ny fampanantenana, hoy ny fikambanan’ny mpiasan’ny Air Mad fa tokony ho efa fotoanan’ny fampiharana kosa izao. Takian’izy ireo ny hanatsoahana amin’izay ny Air Madagascar ao anatin’ilay lisitra «Annexe B» izay mbola manaratsy endrika ity kaompaniam-pitaterana malagasy ity any ivelany, ary tsy hahafahany misidina any eoropa. Ny hialana tao anatin’io lisitra mainty io anefa no antony nividianana ireo fiaramanidina Airbus A340-300 avy amin’ny Air France nandritra ny fitondrana tetezamita. Rehefa tena nodinihana anefa ny zava-misy dia efa antitra sy tsy maharaka ny fivoaran’ny teknolojia mandra-pahavitan’ny fandoavana ny vidiny ireo fiaramanidina novidiana ireo. Ka voatery tsy maintsy hividy fiaramanidina vaovao indray ny Air Madagascar amin’ny 2015 na 2016. Efa mba maro ihany ireo nampitandrina ny maha zava-doza ny fahamaikan’ny fitondrana tetezamita hividy fiaramanidina Airbus tamin’ny Air France, anisan’izany ny teto amin’ny gazety Tia Tanindrazana, kanefa dia nidirana ihany ilay izy. Na ny Air France aza anefa dia fiaramanidina Boeing no tena ampiasainy, indrindra fa amin’ny sidina lavitra (vol long courrier), fa ny Air Madagascar no nampijabahany niditra tamin’ireo. Tamin’ny taona 2012, fony i Hery Rajaonarimampianina filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar no nividy ireo Airbus A 340 roa isika satria nambara fa tsy manara-penitra intsony ireo Boeing fampiasa hatramin’izay. Hatramin’ny nanombohany niasa ka hatramin’izao anefa dia ahitana sampona ara-teknika foana ireo Airbus ireo. Mahatsapa ny mpiasa ao amin’ny Air Madagascar fa nisy ny fitaka bevava sy fampanantenana poakaty ka izay no mahatonga azy ireo hanao ny fitokonana fanairana amin’ity anio ity. Ho hita eo indray izay ho fihetsiky ny fitondrana, izay vao avy nanavao ny mpikambana ao amin’ny Filankevi-pitantanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.