Actualités

Air Madagascar «Garde ŕ vue» ny mpitarika ny hetsiky ny mpiasa


  • Alatsinainy 29 Jona 2015

Manomboka ny fanapenam-bava eo anivon’ny Air Madagascar, tsy arakaraka ny teny nambaran’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean

 

 milaza fa miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny asa sy ny sidina eo anivon’ity kaompaniam-pitaterana anabakabaka ity.

Notorian’ny minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, tamin’ny alalan’ny Sekretera jeneraliny, ireo mpitarika hetsiky ny mpiasa, fitoriana tamin’ny 25 jona. Fito lahy no nandefasan’ny polisy ekônômika fiantsoana ny zoma 27 jona. Anisany ny «Officier pilote de ligne» sady mpitondra tenin’ny mpiasa Rado Rabarilala.

Io andro io ihany izy dia nentina teny Anosy vao nahazo ny fiantsoana, ary natao famotorana. Fanaovana sabôtazy ara-toekarena, fanaparitahana vaovao tsy marina ary fanaovana fikambanan-jiolahy no vesatra anenjehana azy ireo, fiampangana izay nolavin’i Rado Rabarilala tanteraka.

Nangataka ny hamoahana azy i Maître Maka, mpisolovava ao amin’ny Cabinet Maître Willy Razafinjatovo misahana ny fiarovana, saingy tsy nanaiky izany ny kaomisera misahana ny raharaha “noho ny toromarika” azon’izy ireo, araka ny tatitra nataony tamin’ireo mpiasa izay tonga maro teny Anosy maneho firaisankina amin’ny naman’izy ireo voatazona eny amin’ny polisy.

Nilaza i Maître Maka fa manaraka ny fenitra ny fomba itazonana an’i Rado Rabarilala mandritra ny fitazonana azy. Afaka mifampiresaka amin’ny mpisolovava izy ary afa-mitsidika azy koa ny havany.

Na eo aza izany dia milaza ny tsy hihemotra amin’ny hetsika ataony ny mpiasa. Hifamotoana eo anoloan’ny lapan’ny Fitsarana Anosy izy ireo anio maraina. Hisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety hataon’izy ireo amin’izany.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT