Andriamatoa Rajaobelina Léon no voafidy ho filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny kaompania Air Madagascar. Vita omaly teny amin’ny CDL Ivato ny fifidianana ka ity kandida natolotry ny minisiteran’ny Fitaterana ity no lanin’ny maro.
Mpahay toekarena atoa Rajaobelina Léon ary mpanolotsaina ara-toekaren’ ny Filoham-pirenena izy izao voatendry amin’ity andraikitra ity izao. Efa nitana ny andraikitry ny minisitry ny vola ary efa governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara ihany koa ity manampahaizana malagasy ity. Voatendry ho mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar ihany koa Atoa Feno Pierre Jean, tale jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana izay solontenan’ny minisiteran’ny Vola sy ny Fitantanam-bola ; Bruno Razananirina, talen’ny kabinetran’ny ministeran’ny Vola sy ny Fitantanam-bola ; Rakotoarison Thierry, mpanolotsaina ara-ekonomikan’ny Filoham-pirenena ; Eric Koller, filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Ofisy nasionalin’ny fizahantany no sady talen’ny hotely Colbert ; Alfred Andriantsoamberomanga, avy amin’ny sendikan’ny mpiasan’ny Air Madagascar. Anisan’ny lohahevitra lehibe noraisin’ity filankevi-pitantanana vaovao ity ny fametraham-pialan’ny Tale jeneralin’ny Air Madagascar Raelison Haja ka tapaka fa fiaraha-mitantana no hatao aloha mba hampandehanan-draharaha mandra-pahita ny tale jeneraly vaovao afaka roa volana farafahelany. Andrasana ny paikadin’izy ireo manoloana ireo fitakiana fito sosona napetraky ny mpiasa.
Andry Ratovo
Ragasy : Tonga amin’izao fanapahan-kevitra izao ihany koa maninona no nandrasana ho potika ny Air Mad e ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.