Nandatsa-bato hoan’i Joe Biden ilay Mpanakanto Malagasy mizaka ny zom-pirenena Amerikanina nandritra ny fifidianana Filoham-pirenena tany Etazonia, raha ny fanehoan-keviny tao amin’ny tambajotra Instagram.
Nanohana mafy an’i Joe Biden ity artista sady renim-pianakavina ity tamin’izany, na vao nanomboka aza ny fifidianana ary tsy nisalasala izy naneho ny heviny. Marihina fa ny renin’i Aina Cook no teratany malagasy, fa ny rainy kosa dia Amerikanina. Teto Madagasikara no nahalehibe azy, tamin’ny taona 2002 i Aina Cook no tazana tao amin’ny fifaninanan-kira Pazzapa, fony io fifaninanana io nanomboka. Efa nanambady teratany Amerikanina izy ankehitriny ary monina any Etazonia. Mbola eo am-piandrasana ny valim-pifidianana ofisialy ny Amerikanina, fa raha ny vokatra vonjimaika sy efa voizin’ny haino aman-jery maro maneran-tany, dia efa i Joe Biden no filoha Amerikanina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.