Mitohy ny fitsinjarana ireo fanampiana nampitondrain’ny filohan’ny Kaonfederasiona afrikan’ny baolina kitra (CAF),
Atoa Ahmad, ho an’ireo sokajin’olona marefo ho fiatrehana ny ady amin’ny fipariahan’ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara. Nisitraka ny tohana ara-pivelomana avy taminy indray ny zokiolona niisa 700 sy ny olona 100 voatazona ao amin’ny fonjan’i
Mampikony, Faritra Sofia. Ny fisorohana ny fihanaky ny valanaretina any anivon’ny fiaraha-monina no tanjony amin’izao hetsika nataony ho an’ny mpiray tanindrazana izao, araka ny hafatra nampitainy, ka nisafidianany manokana ireo olona marefo ara-pivelomana, hampiana amin’ny ady atao amin’ny coronavirus.
Narahina fanentanana ho fanabeazana amin’ny fomba fisorohana ny valanaretina nataon’ny mpisolo tena ny mpanolotra, io fizarana entana ilaina amin’ny fiainana an-davanandro izay natrehin’ny manampahefana isan-tsokajiny tao amin’ny distrikan’i Mampikony io. Efa samy nahazo fanampiana tamin’io teratany malagasy mpitantana ny baolina kitra eto Afrika ity ireo olona marefo tao Mahajanga sy tao Maintirano nialohan'ireo tao Mampikony ireo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.