Actualités

Ahiahina kolikoly avo lenta Fa lasa aiza ny Bianco sy ny SAMIFIN ?


  • Alarobia 19 Aogositra 2020

Maro ireo raharaha nafampana ahiana ho misy kolikoly avo lenta teto amin’ny firenena, toy ilay “bonbons sucettes” mitentina 8 miliara ariary, ny raharaha tsenan’asam-panjakana momba ny fikojakojana ny rova mitentina 8 miliara eo ihany koa, ary iny vaky iny indray ny raharaha “écran plat”,…

 

 

 

Somary hafahafa ny fiarovan-tenan’ny Minisitra voakasika tamin’io raharaha farany io. Nolazaina, ohatra, fa tsiambaratelom-panjakana, ary hampanao fanadihadiana izy. Toa mipetraka eo amin’ny toeran’ny lasibatra na “victime” indray ny mpitondra fanjakana. Fanampiana ve ho tsiambaratelom-panjakana? Fanampiana avy amina Fikambanana na ONG iraisam-pirenena ve hisy haba na TVA? Manana zo hiaro ny tenany ny tompon’andraikitra voakasika, fa mila sokafana kosa ny fanadihadiana ary isan’ny manana andraikitra amin’izany ny Bianco, Samifin,… izay toa tsy re tsaika mihitsy. Ampahany amin’ireo raharaha nafampana ireny, fa ny zavatra tsapa sy tsikaritra aloha, dia mihisatra tanteraka ny fanadihadiana sy ny fivoaran’ny raharaha mahasaringotra olon’ny fitondrana ankehitriny. Mailaka ery anefa ny Fanjakana ankehitriny nanenjika sy nanagadra ny olon’ny fitondrana teo aloha. Ho an’ny Filoha, Praiminisitra, Mpikamban’ny governemanta,… rahateo dia ny Fitsarana ambony na ny HCJ no natokana hitsara azy ireny. Mbola mila tsodrano avy amin’ny solombavambahoaka. Ny olon’ny fitondrana ankehitriny no maro an’isa ao, ka lojika raha mikatso ny raharaha fanenjehana.Dedaka ery anefa ireo mpitondra fanjakana milaza fa mangaraharaha ny fitantanana eto !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT