Actualités

Agence Française de Développement Hamatsy tetikasa 5 mitentina 25 tapitrisa euros


  • Talata 17 Jona 2014

Tetikasa 5 misandrahaka amin’ny sehatra 4 samihafa no hahazo famatsiam-bola avy amin’ny Agence Française de Développement.

Mitentina 25 tapitrisa euros ity fifanaraham-piaraha-miasa nosoniavin’ny Sekreteram-panjakana frantsay misahana ny Fampandrosoana sy ny Frankofonia Annick Girardin sy ny minisitry ny Fitantanana sy Tetibola Malagasy Razafindravonona Jean ity. 4 tapitrisa euros avy no fanampiana azon’ny fikambanana Salama sy ny fikambanana Médecins du Monde izay mikirakira ny fahasalaman’ny vehivavy sy ankizy tena sahirana ao amin’ny faritr’Itasy sy i Bongolava. 2 tapitrisa euros kosa no hampiroboroboana ny tetikasa Mobile Banking momba ny fampindramam-bola madinika eny anivon’ny tontolo ambanivohitra. 5 tapitrisa euros no tetibola hamatsiana ny tetikasa Lalankely ao anatin’ny faritra Analamanga. Olona maherin’ny 6 hetsy no voakasik’izy ity amin’ireo Fokontany 70 mahery. Tetikasa iray farany hotohanan’ny masoivoho frantsay misahana ny fampandrosoana kosa ny tetikasa Aquem izay mitentina 10 tapitrisa euros. Tanjona ny fanatsarana ny kalitaon’ny Fanabeazana eto Madagasikara mandritra ny 5 taona dia ny taom-pianarana 2013 hatramin’ny 2017. Nihaona tamin’ny filoham-pirenena teny Iavoloha Rtoa Annick Girardin omaly.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT