AGENCE DE MANNEQUINAT

Nodimandry omaly i Soamisa


  • Alakamisy 21 Desambra 2023

Nodimandry omaly Alarobia 10 Desambra maraina i Soamisa Ralison,

tompon'ny Agence de communication S'Angel, izay nitaiza tanora maro teo amin'ny resaka Mannequinat sy Commercial teto amintsika. Anisan'ireo nikarakara ny Miss de l'île Rouge tao amin'ny Sobika ihany koa ny tenany tamin’izany fotoana. Nisy fijoroana vavolombelona nataony, ary nozarainy tamin’ny tambajotran-tserasera Facebook omaly. Nambarany fa niatrika fandidiana in-telo izy, ary nosokafana mihitsy ny lohany, ka efa tany amin’ny tontolo hafa izy tao anatin'izany, fotoana vitsy nialoha izao nahafatesana izao. Nampita hafatra tamin’ny rehetra araka izany izy fa tena misy ny helo. Nampahafantariny tamin’izany ihany koa fa rehefa mibebaka sy mifoka amin’i Jesosy dia tsy mamerina intsony fa tsy mody mifona. Tokony hakatona avokoa hoy izy ny varavarana hidiran’ny satana eo amin’ny fiainantsika raha te ho sambatra sy tsy ho tonga any amin’ny helo isika. Alevina rahampitso Zoma moa ny anaovavy izay marihina fa vao 30 taona mahery ankehitriny.
Nangonin’i Pati
Legende : Itompokovavy Soamisa Ralison, tompon'ny Agence de communication S'Angel fony fahavelony !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT