Actualités

Aft Raikitra ny kilalaon-tsaina andiany faha-20


  • Talata 04 Aogositra 2015

Miditra amin’ny andiany faha-20 sahady ny «Salon des Jeux de Société» karakarain’ny Alliance française Antananarivo miaraka amin’ireo federasiona mikirakira taranja sy fialamboly amin’ity taona 2015 ity

. Manana 2 herinandro nanomboka ny voalohan’ny volana hatramin’ny 14 aogositra ireo sokajin’olona samihafa manomboka amin’ny zaza hatramin’ny olon-dehibe hianarana, hilalaovana ary koa hifaninanana amin’ireo karazana kilalaon-tsaina miisa hatrany amin’ny 10 mahery eny amin’ny foibe ara-kolontsaina frantsay Andavamamba. Mifantoka amin’ny fampianarana hosahanin’ireo mpanentana matihanina amin’ireo karazana kilalao mampiasa saina ranofotsiny ny herinandro voalohany amin’ity volana aogositra ity. Natokana ho an’ny fifaninanana kosa ny herinandro faharoa arahina fizarana loka. Mampiavaka ny hetsika kilalaon-tsaina 2015 moa ny fisian’ny sokajy «Elo» izay fankasitrahana ireo mpilalao mendrika avy amin’ny federasiona nasionalin’ny taranja «echec».

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT