Hanomboka anio alakamisy 10 jolay etsy amin’ny AFT Andavamamba ary hitohy hatramin’ny 26 jolay ny fampirantiana ny sangan’asan’i Donn izay nampitondrainy ny lohahevitra hoe : “Vina na Rêve”........
Araka ny fanazavana nomeny dia fitondrana ny olona hianoka ny tontolo ao anaty nofinofy no tena hampitaina amin’ny fampirantiana. Anisan’ny mampiavaka ity fampirantiana ity ny fahaizan’ny mpanakanto milalao ny loko mainty sy ny fotsy izay tena manana lanjany lehibe amin’ny fampitana ny hafatra ho an’ny mpitsidika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.