Miditra amin’ny andiany faha-19 amin’ity taona 2014 ity ny «Salon de jeux de société» karakarain’ny Alliance française Andavamamba miaraka amin’ireo federasiona misahana lalao sy fialamboly
Haharitra 2 herinandro ny hetsika izay hanomboka ny 01 ka hatramin’ny 16 aogositra. Raha karazana kilalaon-tsaina 9 no nampahafantarina sy nampahalalana ireo mpankafy tamin’ny andiany voalohany ny taona 1996 dia manodidina ny 20 kosa no hatolotra ireo sokajin’olona ho tonga hianatra sy handalina ireo kilalaon-tsaina eny an-toerana. Azo sokajiana telo mazava tsara ireo karazana lalao haroso ny mpitsidika amin’ity indray mitoraka ity. Eo aloha ireo kilalao fototra toy ny échec, ny scrabble ary ny karatra. Ho hita ao ihany koa ireo kilalao fahizay tahaka ny fanorona, ny katro na koa ny kalaza. Hanampy azy ireo ny kilalaon-tsaina ankehitriny toy ny go, sodoku, mots croisés, milles bornes sy ny maro hafa. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fampianarana maimaimpoana mandritra ny herinandro voalohany ireo taranja marobe. Hanamarika ny herinandro faharoa kosa ireo karazana fifaninanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.