Hanafana ny fotoana mandritra ny hefarana ireo mpanakanto sy tarika maro toa an’i Dama, Lego sy Mikéa
Mbola ny volana septambra ihany koa no hisian’ny fetin’ny sakafo na «fête de la gastronomie» izay hotanterahana ny 26, 27 ary 28-n’ity volana hitsahintsika ity. Ho an’ny volana oktobra indray dia eo ny famaranana nasionalin’ny fifaninanam-pirenena momba ny hira amin’ny fiteny frantsay any Antsirabe ny 25 oktobra 2014. Tsy ho diso anjara ihany koa ny festival Madajazzcar, ny fankalazana ny andro manerantany momba ny Vakoka Haino aman-jery ary ny fampirantiana Kolosary izay hampisongadinana ny sarimihetsika Malagasy sy ny tantarany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.