Afovoan-tany

Tratry ny maripana nidina ambany dia ambany


  • Alatsinainy 01 Jolay 2024

Namirifiry! Tena tratry ny maripana nidina ambany dia ambany ny faritra afovoan-tany teto Madagasikara omaly.

Raha ny naminavinan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro azy moa dia tafidina hatrany amin’ny 2 degre selsiosa izany tany Antsirabe tany. 5 degre selsiosa ny tao Ambositra ary 6 degre selsiosa ny teto Antananarivo. Maro ireo milaza fa tafiditra ao anatin’ilay tranga na «phénomène» antsoina hoe «Ophélie» na fanalaviran’ny masoandro ny tany no mahatonga izao hatsiaka be tsy zaka anaty ririnina izao ary misy milaza ihany koa fa tsy hifarana izany raha tsy any amin’ny volana aogositra any. Raha ny nambaran’ireo manam-pahaizana momba ny astronomia kosa dia tranga mandalo isan-taona io ary tsy marina ny filazana fa misy fiantraikany amin’ny fivoaran’ireo zava-maniry izany. Tsy azo lavina kosa nefa ny hoe misy ifandraisany amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana vokatry ny fanimbana ny ala toy ny fanapahana hazo, doro tanety, tevy ala io fiovaovan’ny toetr’andro amin’izao na fikorontanan’izany toetr’andro izany amin’izao io. Isan’ny miteraka izay fahapotehan’ny tontolo iainana izay ihany koa ny fampiasana ireo akora sy entona manimba sosona ozonina toy ny setroka fiara efa simba na fandoroana akora manimba fahasalamana samihafa. Tsiahivina fa vao herinandro lasa teo izay moa no nahatrarana mponina hatramin’ny zaza amam-behivavy efa miditra amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanimbana ny ala tao amin’iny faritr’i Moramanga iny, raha ny tatitry ny Conservation international Madagascar.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT