Nirehitra omaly hariva ny Ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana na ny ONE eny Antaninarenina.
May kila forehitra, hotohoton’ny afo ity sampan-daharaham-panjakana ity. Tsy fantatra mazava ny anton’ny loza, fa tokony ho tamin’ny 8 ora alina tany no voalaza fa niantombohan’ny firehetana. Tsy tafiditra ao anatin’ny sehatr’asa tsy maintsy miasa na « service non essentiel » ny ONE, ary raha miasa ny mpiasa dia amin’ny 12 ora atoandro no mirava. Misy aza ny resaka fa nisy ahiahiana tranga coronavirus tao, ka nomena toromarika tsy hiakatra birao ny mpiasa. Isan’ireo tranom-panjakana manaja ny rafitra HSSE (Hygiène, sécurité, sûreté, environnement) ity fotodrafitrasa ity. Tombana ihany izany, fa ny fanadihadiana no mety hamaritra ny antony marina niteraka ny firehetana.Ny azo antoka aloha dia may kila ny antontan-taratasy rehetra n any ampahany betsaka.
PAOSITRA SY FIFANDRAISAN-DAVITRA
Toerana stratejika ny eny Antaninarenina ahitana biraom-panjakana samihafa tena saropady satria ao an-damosin’ny ONE no misy ny Paositra miaraka amin’ny Minisiteran’ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (Direction Generale), izay lasibatry ny fahamaizana goavana io ihany koa.Raha ny fahitana azy dia niainga avy any ambony rihana (rihana faha 3) amin’ny biraon’ny Paositra ny afo ka nidina tamin’ireo rihana hafa. Tsara ho marihana fa ny Minisiteran’ny Paositra no mikirakira ny Tosika Fameno sy ny resaka « Paositra money » . Mifanohy amin’ny ONE, ny Paierie Générale izay efa nanomboka nilelaka azy ny afo tamin’ny ora nanoratanay. Mampanahy ity toe-javatra ity, ary ao anatin’ny toe-draharaha mafana eto amin’ny firenena no isehoany. Nifanome niezaka namono ny afo ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana sy ny mpamonjy voinan’ny ASECNA satria tena niredareda izy tsy izy ny afo.Goavana ny fahavoazana. Andrasana ny tatitra mazava avy amin’ny manampahefana eo anatrehan’io toe-javatra io. Ny polisim-pirenena no voalaza fa mandray an-tànana ny raharaha.Fanontaniana tena manitikitika izao ny hoe : taiza no nanomboka ny afo, tao amin’ny ONE ve sa tao amin’ny Paositra ?
Tonga nijery ny zava-nitranga teny an-toerana ny minisitry ny tontolo iainana sy nyny fampandrosoana lovainjafy Baomiavotse Raharinirina ary nanambara fa avotra soamantsara fa tsy may ny solosaina mitahiry ireo antontan-kevitry ny ONE (Serveur) ka inoana hoy izy fa misy zavatra azo avotana ao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.