AFJM, Fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety

«Tsy azo ekena ny fanivahivana sy fanaovana zinona ! »


  • Alatsinainy 04 Aogositra 2025

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Fikambanan’ny Mpanao Gazety Vehivavy

eto Madagasika na AFJM manoloana ireo tranga maro izay hita sy tena tsapa fa manambany sy manao tsinontsinona ny mpanao gazety ary manohintohina ny fahalalahan'ny mpanao gazety eto Madagasikara. Nampahatsiahy fa manana andraikitra hikaroka ny vaovao mba hampahafantarana ny raharaharam-bahoaka sy ny fitantanana ny asam-panjakana ny mpanao gazety. Samy manana ny antsoina hoe" ligne éditoriale" na zotran-dahatsoratra ary misafidy ny "angle" izay fantany fa mifandraika amin'io "ligne éditoriale" mifehy ny gazety izay misy azy. Zon"ny mpanao gazety feno, hoy ny AFJM, ny manontany ireo tompon' andraikitra izay manatanteraka ny hetsika iantsoana mpanao gazety raha misy fanontaniana manitikitika azy na ihany koa misy lohahevitra tiany hampahafantarina ny vahoaka. Manao ny antsoina hoe "conférence de rédaction" ny mpanao gazety ka mandritra izany no hanapahana ireo fanontaniana apetraka amin'ny valan-dresaka na hetsika iantsoana mpanao gazety. « Manana ny tandrohasina sy ny fitsipika mifehy azy ny mpanao gazety ka tsy voafehin'ny vola sy fanomezana izay omena azy. Misy ny solon'ny saran-dalana omena ny mpanao gazety fa tsy vidin'ny fahanginana. Safidy malalaka ho an'ireo tompon'andraikitra mampiantso mpanao gazety kosa ny manome na tsia io solon'ny saran-dalana io. », hoy ny hatrany AFJM. Mijoro ho mpanara-maso ny fahefana telo misy eto amin'ny firenena izy: ny fahefana mpanatanteraka (pouvoir exécutif), ny fahefana mpanao lalàna (pouvoir législatif) ary ny fahefam-pitsarana (pouvoir judiciaire) amin’ny maha hery faha-efatra na «4ème pouvoir ». Nahitsy noho izany ny AFJM nampahahatsiahy fa tamberin'andraikitra amin’ny vahoaka ny mpanao gazety fa tsy amin'iza n'iza. « Tsy azo ekena ny fanaovana zinona ny mpanao gazety ! Tsy azo ekena ny fanohintohinana ny fahafahana mikaroka vaovao. Tsy azo ekena ny herisetra na amin'ny endrika inona na inona ampiharina amin'ny mpanao gazety. Avelao ny mpanao gazety hiasa amin-kahalalahana. Zon'ny mpanara-baovao, ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny kosa ny manao ny "démenti" raha misy ny vaovao heverina fa diso. », hoy hatrany ny Fanambarana. Nomarihin’ny AFJM, fa manana fiaraha-miasa amin'ireo sehatra maro ka mahazo tombon-dahiny amina karazana fampiofanana izy ireo, ary manana mpikambana voky traikefa afaka mampiofana ireo tompon'andraikitry ny serasera amin'ireo seha-panjakana sy tsy miankina momba ny fifandraisana amin'ny mpanao gazety (relations presse) ihany. Mpiara-miasa ny mpanao gazety sy ny vahoaka malagasy tsy an- kanavaka ka tsy hisy tombo sy hala ny fikirakirakirana ny vaovao omena, hoy hatrany ny AFJM.
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT