Naverina any am-ponja i Renita, lehilahy 47 taona nahatrarana vola sandoka 3 850 000 ariary mahery ( iray alina ariary avokoa) tao an-tranony tao Betania Scama ny harivan’ny alakamisy 28 aogositra lasa teo, tokony ho tamin’ny efatra ora, taorian’ny fisavana nataon’ny polisy
Rehefa natolotra ny fitsarana ny fiandohan’ny herinandro nivalona iny ity lehiben-jiolahy malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana sy voatonona matetika amin’ny asa ratsy isan-karazany ao Toliara sy ny manodidina ity ny anarany, dia betsaka ny olona no nimenomenona tamin’ny famotsorana azy, ka izao izy M.D izao, raha ny fampitam-baovaon’ny polisy any an-toerana. Raha ny fanazavan’ny kaomisera Rufin, tamin’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny harivan’ny zoma 29 aogositra lasa teo, dia mpibizina basy sy bala i Renita ankoatra ny maha mpanaparitaka vola sandoka azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.